Skip survey header
Select another language

#SOKAJY MPITARIKA NITONDRA FANOVANA


Ity sokajy ity dia natokana ho an'ireo mpitarika nitondra fanovana rehetra tafiditra anatin'ireto rafitra manaraka ireto (Fiarahamonim-pirenena, fikambanana eny anivon'ny fiangonana, rafitra ara-panjakana, kaominina, fikambanana tsy miankina, ireo mpisehatra amin'ny lafiny haino aman-jery, ireo mpandraharaha vao nisondrotra)i zay nanao asa miavaka ho fanatrarana ireo tanjona voarakitra ao anatin'ny Fenitry ny SADC momba ny Miralenta sy ny Fampandrosoana, aorian'ny taona 2015 sy ireo tanjon'ny fampandrosoana maharitra. Ny fisoratana anarana dia tsy maintsy mampiseho ireo fiovana nisy teo amin'ny fiainanao, ny fiarahamoninao ary ny firenenao, ary koa ny fomba itarihanao ny hafa ho lasa mpisehatra anatin'ny miralenta.

Iangaviana ianao hamaky tsara ity torolalana ity mialoha ny hamitanao ny fandraisanao anjara
Fenoy mialoha ny mombamomba anao. Izany dia hahafahanao mameno ny ambin'ny fandraisana anjara amin'ny fotoana manaraka. Azonao atao ny mameno tsikelikely ny fandraisanao anjara amin'ny alalan'ny fanindrina ny teboka natokana ho amin'izany izay hitanao eo ambonin'ny pejy. Ho angatahina aminao ny adiresy mailaka ary ho alefa aminao ny rohy (lien) hahafahanao miverina eo amin'ny asa vitanao teo aloha.
  • Ny fizarana rehetra DIA TOKONY ho fenoina avokoa..
  • reo ahitana kintana mena (*) dia (*) tsy maintsy fenoina.
  • Rehefa mahita tsipika midina ianao dia tsindrio ahafahanao misafidy ilay safidy tena marina sy mifanaraka.
  • Ampiasao ny OANDA na izay rohy nomena anao hamadihana ny vola malagasy ho Dolara.
  • Tena tsara raha ny olona hanolotra ny asa no mameno ny fandraisana anjara. Raha toa ka tsy ilay mpanolotra no mameno azy dia ny mombamomba ilay mpanolotra no hamenona ny fandraiasana anjara.
  • Ny andraikitra, Fianarana natao, Taona, Lahy sa Vavy, Adiresy mailaka ary ny laharana finday dia tokony an'ny mpanolotra ny asa.
  • Tokony hisy ny porofo, ohatra drafitrasa, politika, sary, lahatsoratra an-gazety, horonan-tsary tamin'ny fahitalavitra, lahatsoratra fijoroana vavolombelona (taratasy na mailaka), entina hanamarinana ny asa vitanao. Tsy tokony hihoatra ny 50 MB nefa ny porofo ampidirinao. Afaka mampiditra porofo hatramin'ny 10 ianao.. 

Raha toa ka tsy voafenonao indray mandeha ny takelaka rehetra dia araho ireo torolalana manaraka ireto:
Safe and continue later function:
Aorian'ny fahavitanao ny pejy 1 (hivadika pejy 2) ahita ny soratra "Hitahiry sy hotohizana amin'ny manaraka ” ianao.

Raha toa ka te hanamarina na hiverina amin'ny pejy tany aloha ianao, tsindrio io soratra io ary ampidiro ny adiresy mailaka. 

Vantany vao tafiditra ny indroa ny adiresy mailaka anao, izay rehetra vitanao dia ho voatahiry ary hahazo rohy mampiditra anao any amin'ny pejy vitanao farany hatrany izany.