Skip survey header
Select another language

FISORATANA ANARANA HO AN'NY #Sokajy ASA SY TANORA "ACTION AND YOUTH"

Ity sokajy ity dia natokana ho an'ireo rafitra ara-panjakana, kaominina, fikambanana tsy miankina, fikambanana eny anivon'ny fiangonana izay nanao asa miavaka ho fanatrarana ireo tanjona voarakitra ao anatin'ny Fenitry ny SADC momba ny Miralenta sy ny Fampandrosoana, aorian'ny taona 2015 sy ireo tanjon'ny fampandrosoana maharitra, mifanaraka amin'ireo lohahevitra momba ny:
  1. Fahasalamana sy zo ara-pananahana, ao anatin'izany ny ady amin'ny herisetra, ny VIH sy SIDA
  2. Fitantanana, ao anatin'izany ny Ainga 50/50, filaminana sy fandriam-pahalemana, lalàna fototra
  3. fiovaovan'ny toe-trandro sy fampandrosoana maharitra
  4. Fitoviana eo amin'ny lafiny toe-karena, ao anatin'izany ny fampianarana, ny fanofanana, ary ny fampandrosoana ara-toe-karena.
Safidio amin'ireo lohahevitra voalaza ireo ny sokajy misy anao!
Mizara dimy (5) ny famenoana ity fandraisana anjara ity:
  1. Filazana ny momba ilay mpanolotra (ny mombamomba anao; fenoina na fidina izay mifaraka aminao)
  2. Sokajy (Misy safidy efatra).
  3. Fanolorana ny tetikasa (lahatsoratra fanazavana momba ilay tetikasa)
  4. Porofo(an-tsoraka, an-tsary na horonan-tsary )
  5. Fandalinana (Mariho izay mifanaraka amin'ny tetikasanao)
Raha te-hametraka dika mitovy amin'ny fanadihadiana ianao alohan'ny hanombohanao hanindry ny rohy etsy ambany, dia ny haino aman-jery amin'ny aterineto ihany no hodinihina ka mila miverina ianao ary mameno ny fidirana an-tserasera:
Malagasy
Iangaviana ianao hamaky tsara ity torolalana ity mialohan'ny hamenoana ny fandraisanao anjara:
Fenoy mialoha ny mombamomba anao. Izany dia hahafahanao mameno ny ambin'ny fandraisana anjara amin'ny fotoana manaraka. Azonao atao ny mameno tsikelikely ny fandraisanao anjara amin'ny alalan'ny fanindrina ny teboka natokana ho amin'izany izay hitanao eo ambonin'ny pejy. Ho angatahina aminao ny adiresy mailaka ary ho alefa aminao ny rohy (lien) hahafahanao miverina eo amin'ny asa vitanao teo aloha.
  • Ny fizarana rehetra DIA TOKONY ho fenoina avokoa.
  • Ireo ahitana kintana mena (*) dia tsy maintsy fenoina.
  • Rehefa mahita tsipika midina ianao dia tokony hisafidy izay mifanaraka amin'ny tetikasanao.
  • Ampiasao ny OANDA na izay rohy nomena anao hamadihana ny vola malagasy ho Dolara.
  • Tena tsara raha ny olona hanolotra ny asa no mameno ny fandraisana anjara. Raha toa ka tsy ilay mpanolotra no mameno azy dia ny mombamomba ilay mpanolotra no hamenona ny fandraiasana anjara.
  • Ny andraikitra, Fianarana natao, Taona, Lahy sa Vavy, Adiresy mailaka ary ny laharana finday dia tokony an'ny mpanolotra ny asa.
  • Tokony hisy ny porofo, ohatra drafitrasa, politika, sary, lahatsoratra an-gazety, horonan-tsary tamin'ny fahitalavitra, lahatsoratra fijoroana vavolombelona (taratasy na mailaka), entina hanamarinana ny asa vitanao. Tsy tokony hihoatra ny 50 MB nefa ny porofo ampidirinao. Afaka mampiditra porofo hatramin'ny 10 ianao. 
  • Raha toa ka tsy voafenonao indray mandeha ny takelaka rehetra dia araho ireo torolalana manaraka ireto:
  • Rehefa vita ny pejy 1(izany hoe eo amin'ny pejy 2 ianao izao) dia tsindrio ny teboka ery ambony milaza hoe, “Tohizana amin'ny manaraka”:


    Raha mila fanampiana ianao dia aza misalasala manantona ny biraon'ny Gender Links:

    http://genderlinks.org.za/who-we-are/where-we-work/

    Na mandefa mailaka amin'ny: madaprogofficer@genderlinks.org.za.